Goloka

Radha Krishna, mpanjakavavin'i Goloka

I Goloka na Goloka Vrindavan (IAST: Goloka Vṛndāvana) no fonenan' ny andriamanitra hindo Krishna sy Radha vadiny. Ao amin' ny Bhagavata Purana, i Krishna dia aseho ho olona ambony indrindra mipetraka ao Goloka. Atao hoe गोलोक izany amin' ny teny sanskrita.

Araka ny filôzôfa Gaudiya Vaishnava Jiva Goswami, i Goloka, antsoina koa hoe Vrindavan, no planeta ara-panahy ambony indrindra ary azo aseho bebe kokoa amin' ny fonenana telo, antsoina hoe Mathura sy Dwarka ary Gokula, araka ny fahasamihafan' ny fialam-boly sy ny mpiara-miasa amin' i Krishna.

Goloka dia voatonona ao amin' ny Gaudiya Vaishnavism, ny Swaminarayan Sampraday, ny Pranami Sampraday, ny Pushtimarg ary ny Nimbarka Sampradaya, ary ao amin' ny soratra masina toy ny soratra Pancharatra,  ny Garga Samhita, Brahma Samhita, Brahma Vaivarta Purana ary Devi-Bhagavata Purana.


© MMXXIII Rich X Search. We shall prevail. All rights reserved. Rich X Search